Lyrks
Lyrks
Lyrks
Cover Art

Aza omena tsiny aho Lyrics by Mami bastà

0

Aza omena tsiny aho re
Raha tsy hanambady an'ise
F’efa leon'ny voafitapitaka aho ka tsy sahy
Fomba fiarahantsika sy ianao
Ataontsika amin'ny fomba vaovao
Tsy asiana soratra ara-panjakana
Fa ny fitiavana no hanafana
Ny fitiavana lzay niombonanatsika roa
Atao fitiavana tena matotra
Hifamofo lalan-dava ny am-po
Fa isika dia mifamatotra
Ny saina mitovy, mahay miara-dia
Dia ataontsika mahavita azy
Ny fontsika samy tia
Dia efa solon’ny mariazy
Mety gaga sy zendana angamba ianao
Fa ahoana no toy izao
Fa leon'ny misara-bady aho
Fa izaho no lazaiko anao
Alohan'ny fiarantsika roa aho
In-telo nisara-bady
Ka manjary tsy tiako intsony
Ny misoratra rehefa hanambady
Refrain
Ilay vadiko voalohany dia vehivavy tena mpisotro toaka
Izay nohatonga ny fisarahana, ka aleoko dia nitsoaka
Rehefa mamo izy manao ny tsy fanao, ka lalaovin-dry zalahy
Ka teraka zazakely hafa-loko, fa fantatro fa tsy anahy
Izany no zava-misy taminay fa tsy izaho no manendrikendrika
Fa ilay zanany farany ao aloha dia hitako tena hafa endrika
Izaho dia fantatra avy hatrany fa lehilahy malagasy
Ilay zaza naterany farany ao anie vazaha fa tsy gasy
REFRAIN....
Ilay vadiko faharoa dia vehivavy tena mpangala tety
Izay vola tahiry kely mba voahangona dia lany vetivety
Ny zanaka ao an-trano indray mihafy tsy misy mpiraharaha
Fa ny harena tsy misy miangana fa tapitra lasan' Ingahy ZAODAHY
Ilay vadiko fahatelo indray 'ry olona dia vehivavy manjabe
Matim-bola sy tia miliba aok'izany ka aleony mandehandeha
Tapa-bolana izy tsy nody tao an-trano no sady tsy hita notsy mba re
'Hay nirifatra lasa nanaran-kolon-kafa lasa sipana DEPIOTE
REFRAIN...
Aza omena tsiny ry malala o
Raha toa ka miteny tsy misalasala
Ny fitiavantsika no zava-dehibe ka atao tsy misara-mandeha
Tsy ambinin-tsoratra ny havanao
Ny fitiavantsika haharitra ivavaho
Angamba aoriana maharitra ela be mety hisoratra isika ise

About “Aza omena tsiny aho” by Mami bastà

Read the complete lyrics to "Aza omena tsiny aho" by Mami bastà. On Lyrks you can follow along with the full text, explore the artist's discography, and discover related songs. The track is often categorized under Pop.

"Aza omena tsiny aho" is performed by Mami bastà. This page provides the full lyric text for fans who want to sing along, study the songwriting, or compare versions across releases. Lyrks organizes lyrics by artist and song slug so you can bookmark and share a stable URL. Music lyrics help listeners connect with emotion, narrative, and rhythm in a track. Whether you are learning English, researching a favorite chorus, or preparing for karaoke, having accurate line breaks and section labels (verse, chorus, bridge) makes the experience easier. We link to the official artist profile on Lyrks where available, including biography snippets, top songs, and chart placements when we have that data. If you enjoy "Aza omena tsiny aho", explore more songs by Mami bastà using the links below. Chart and trending pages on Lyrks highlight what listeners are searching for this week. For copyright or correction requests, see our DMCA and contact pages.

View all songs and biography for Mami bastà · Trending lyrics · Billboard Hot 100

Frequently asked questions

"Aza omena tsiny aho" is credited to Mami bastà. Songwriting credits may include additional writers listed on the release; check the credits section on this page for linked collaborators.

Album information for "Aza omena tsiny aho" is not available in our database yet. You can still read the full lyrics on this page.

Visit the Mami bastà artist page at /artist/mami-basta for biography, popular tracks, and links to more lyric pages.